Livre d'or

   118 messages   
Vous devez saisir des informations valides
Mamigasy
Tena ankasitrahana manokana tokoa ny fomba fihetsiky ny fonctionnaire traikefa mahalala manome ny toerana ho an'ny tanora. Tena voarain'izireo mihintsy ny haja amaboninahitra satria manaja ny tenany izy ireo ary noho izany dia tsara tokoa raha hajain'ny fitondrana ankehitriny ny fahatsoran'izy ireo. Fanotaniana: Mba nahavita nanoratra boky ve ny sasatsasany tamin'izy ireo sa dia lasa nisotro ronono fotsiny any. Tsara anie raha ohatra ka nataon'izireo ao anaty boky ny traikefan'izireo raha nisy mba ho lovan'ny taranaka malagasy izay handimby azy ireo. Aiza ny kolotsaina momba ny fanoratana boky ry malagasy zokibe niasa amampolotaonany maro tamin'ny orinasa iray o. Miandry izahay e.
Misaotra tompoko o^!
mamigasy
Miarahaba!
Sao dia mba mahasoa ihany. Mba inona moa re Ramalagasy no takalon'ireny vola betsaka omena antsika ireny. Hitsikitsika anie hoy ny razantsika tsy mandihindihy foana fa ao raha hitany e. Sao dia ny tanindrazana indray ary sanatria no hamidy varotsimifody raha ohatra ka tsy mahay mampiasa ireny vola omena antsika ireny isika an. Matahotra ihany ny tenanay satria izahay tanora izao anie no ho avin'ny firenena nefa raha ohatra ka izay mandindy mahalasana manangombola ampaosy fotsiny , ho very Madagasikara. Enganie ireo mpandraharaha rehetra mba hanao sorona ny tenany ho an'ny sarambabembahoaka.
Misaotra an'ireo izay mamaky.
sahara
Tohizo
yllaf
Eny indray ary.Tonga sy tafaray indray ty ny tia sy ny manina..Samy milaza sy miara-mahita isika izao ny @ fahasarotan'ny fiainana.ndeha tsy hilaza afa tsy ny tompon'andraikitra voalohany @ fiainambahoaka ary isika dia ny mpitondra fanjakana izany.Zao no fotoana heveriko hifanomezana tananaindrindra hifampiainoana raha tena ao ny finiavana hampandroso "ity firenena mamintsika ity".Zao ary ny fomba fijeriko ny raharaham-pirenena:
-mila manao jery todika kely ny tolona natao na ny vahoaka na ny mpitondra @zao fotoana izao.
-mila mihaino ny feombahoaka ihany koa ny fitondrana:na mivantana izany na @ alalan'ny fitaovam-pifandraisana sahala @tony.
-mila mpanolontsaina manokana avy any anaty vahoaka ny Filoha mikasika ny andavan'andron'ny fiainam-bahoaka.
-mila mpitsikilo any anaty orin'asa sy Minisitera any ny tompon'andraikitra mivantana mety mila izany ahafantarana ny tena ao anaty vilany sy ny nahandro ao fa tsy mihinana amam-bolony sy an'eritreritra fotsiny.
Tohizako @ manarak
mamigasy
Je suis très heureux de la décision ferme et resolue de notre Président face à la resolution des problèmes urgents, ainsi que son devouement remarquable pour le developpement durable du pays. Vraiment, nous sommes entrain de décoller. Merci.
Mino
Mankasitraka, mankatelina ny asan'ny fitondran'ny Filoha Ravalomanana indrindra ny tenako, ary mankahery mandrakariva azireo.Mîrary indrindra koa ny mba ahavitan'izireo atramin'farany ny adidy masina niantsoroany!
Ramams
Miarahaba anareo ndray eh! Fa ahoana ihany ty vidim-bary eto amin'ny tanàna ty ry Kamarady ah. Toa miakatra foana fa tsy mba mety midina mintsy e ! Sa tsy vitan'ny Hery Velona Rasalama ve ny nanatanteraka an'le baiko de isika TIM no hitondra ny annn rehetra eto am'firenena hiakatra eh de ndao ary fa tsy miamboho adidy tsika eh !!! Ento Miakatra ny .....
am'manaraka ndray zany ry Kamarady ah !!!!
rakoto*
Voninahitra ho ahy ny mametraka diam-penina ato.Tsy kilalaon-jaza ny fiainam-pirenena ka hatao andrakandrana. Betsaka ny tsy nety teto @ firenena ka mila fanarenana izany. Faly izahay misy ny TIM izao satria afaka miasa malalaka noho ny tanjany.Noho ny fahatsapan'ny vahoaka malagasy fa mila fiovana ny tany sy ny fanjakana dia tanteraka izany. Mitaky ezaka betsaka avy amin'ny mpitondra koa izany satria ny mpifaninana dia tsy mitsahatra ny mamingana sy mitady toerana hatrany.Koa ny zavatra tiana ho lazaina dia ny hanaovan'ny fitondrana mahefa ny programan'asa izay toky nomena anay vahoaka mba hialana @'izao fahantrana izao.Maro ny zavatra vita sy azo tsapain-tanana.Tsy midika anefa izany fa tokony hanao hazakazaka arahi-tosika isika malagasy. Mety hisy voka-dratsy izany indrindra eo @ fandrindrana ny fiainam-bahoaka.Ka ny toro-hevitra azonay omena dia ny hanohizana ny efa natao ary hanitsiana ireo tsy nety.Ho ela velona anie madagasikara.
yllaf
Tsara sy azo tsapahintanana ny fiovan misy nefa raha tsy ny fiainambahoaka mivantana no ianjadiay dia toa zava-poana ihany satria @ olontsotra ny fiainany no handrefesany ny zava-misy."Mahareta fa hanana ny soa":ekena nefa "misy farany koa ny zava-drehetra".Efa ho masikiny ny olona ka mitady tsy hahadiny raha ela."Ny zaza tiana hono tsy hitsitsiana rotsak'hazo" ary Ramalina aza hono mifehy hazo tokana"."Ny tiana ihany no anarina e!","ny adalan'ny olona aza hono tafian-damba maika fa ny an'ny tena".Tsapako ny ezaka ataon'ny mpitondra sady "tsy te hanan-dratsy intsony aho"
Isaorana ianareo mahatsapa ny "TIAKO" hambara.
Tsy manap-ahefana hibaiko aho fa kosa manan-jo hilaza ny hitako na tsapako sy iainako.
Misaotra ny Mpitondra izay mamaky ity.
Ny tia tsy tsahatry ny miteny ary ny mihaino mahay mandray ny mifanitsy aminy sy manova ny tsy mety ho mety.
Misaotra ary mankasitraka antsika rehetra.
MISAOTRA TOMPOKO.
Mamigasy
Merci à Vous, Maire d'Antananarivo, bientôt vous allez gagner les coeurs des malgaches qui depuis la nuit de temps, il me semble, n'ont pas cette culture de calcul. Je vois maintenant que beaucoup de leaders malgache ne cesse d'inculquer à leur compatriote la culture de calcul et de statistique comme outil de développement.
Soava dia e! Que Dieu benisse notre Pays.